OP-10 · Akademia
Manofana
Fanofanana mifantoka amin’ny fampiharana : famakiana plans, cotation, CNC, métrologie, kalitao ary fomba fiasa amin’ny indostria.
Fampahafantarana
Ny AMIS Madagascar dia tetikasa mikendry ny hampivelatra fahaiza-manao maharitra eto Madagasikara, amin’ny sehatry ny indostria mitaky fahamarinana avo lenta (industrie de précision). Atomboka amin’ny fanofanana izany, arahin’ny fametrahana atelier pédagogique, ary miroso tsikelikely amin’ny famokarana rehefa misy filàna sy baiko mifanaraka amin’izany.
Ny tetikasa dia natomboka ary entin’i Andry RABEZANAHARY, amin’ny finoana fa ny fahaiza-manao avo lenta ananan’ny Malagasy no fototry ny fampandrosoana indostrialy eto Madagasikara. Atomboka amin’ny fanofanana ekipa voalohany sy ny fampiharana izany, arahin’ny fananganana fotodrafitrasa seho tomboka (Atelier pilote) ao amin’ny trano efa misy mirefy 160 m² eo ho eo, eo amin’ny tany mirefy 6 400 m² eo ho eo, ary avy eo dia miroso amin’ny famokarana tsikelikely araka ny baiko sy ny filàna tena misy.
OP-10 · Akademia
Fanofanana mifantoka amin’ny fampiharana : famakiana plans, cotation, CNC, métrologie, kalitao ary fomba fiasa amin’ny indostria.
OP-20 · Fotodrafitrasa seho tomboka (Atelier pilote)
Fotodrafitrasa seho tomboka (Atelier pilote), milina voalohany, prototypes, contrôle ary fomba famokarana.
OP-30 · Famokarana
Famokarana pièces amin’ny isa voafetra, décolletage, automatisation, arahin’ny sous-traitance sy ny fanondranana mivoatra tsikelikely.
Ny Akademia
Ny Akademia dia tsy oniversite natao hisolo ireo toeram-pampianarana efa misy eto Madagasikara. Manolotra fanofanana manokana maharitra 9 ka hatramin’ny 12 volana izy, ho an’ireo efa nahazo diplaoma ka te hampihatra ny fahalalany amin’ny asa indostrialy.
Voafetra ny isan’ny mpiofana isaky ny andiany. Ny fifantenana dia mifototra amin’ny talentany, ny fahafahany mivoatra, ny fahavononany ary ny fahaiza-manaony ara-teknika sy amin’ny fampiharana.
Manofana aloha. Mametraka milina avy eo. Mamokatra rehefa misy filàna tena izy.
Fahaiza-manao hampianarina
Ny fandaharam-piofanana dia mampifandray ny famakiana plans, ny usinage, ny décolletage, ny métrologie, ny CAO/FAO, ny automatisation ary ny Industrie 4.0. Ny intelligence artificielle dia hianarana ho fitaovana ampiasaina amin’ny famokarana.
Fotodrafitrasa kasaina
Ny tetikasa dia manana tany mirefy 6 400 m² eo ho eo natokana ho an’ny AMIS, ary trano efa misy mirefy 160 m² eo ho eo. Eto Antananarivo no misy azy, manodidina ny 30 minitra avy eo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ary akaikin’ny lalambe Tamatave–Antananarivo izay kasaina hatsangana.
Ny trano efa misy no handraisana ny fanofanana sy ny fampiharana voalohany. Kasaina koa ny hananganana atelier mirefy 200 m² eo ho eo, hanohanana ny fivoaran’ny tetikasa.
Atelier sy famokarana
Hatsangana tsikelikely ny fitaovana sy ny asa famokarana ao amin’ny AMIS Madagascar. Hampiana ny milina rehefa ampy ny filàna amin’ny fanofanana na ny baiko ahafahana mampiasa azy.
Hampiana ny milina vaovao rehefa ampy ny filàna na ny baiko ahafahana mampiasa azy.
Tontolo iainana sy angovo
Kasaina hampiasaina indrindra mandritra ny ora ahazoana angovo avy amin’ny masoandro ny atelier. Hivoatra araka ny filàna ny rafitra famatsiana angovo. Hokarakaraina amim-pitandremana koa ny menaka, ny liquides de coupe ary ny copeaux avy amin’ny famokarana.
Fiaraha-miasa iraisam-pirenena
Samy mitondra ny fahaizany sy ny traikefany ny mpiara-miombon’antoka. Eto Madagasikara kosa no hanaovana ny fanofanana, ny fampandehanana ny atelier ary ny famokarana.
AMIS souhaite développer des collaborations internationales autour de la formation technique, de la métrologie et de la fabrication de précision.
Dingana kasaina
Antso ho amin’ny fiaraha-miasa
Ny AMIS Madagascar dia mitady mpiara-miombon’antoka hanampy amin’ny fananganana ny fandaharam-piofanana, ny fotodrafitrasa seho tomboka (Atelier pilote) ary ny fitaovana ara-teknika ilaina.
Laharam-pahamehana amin’ny fanombohana :
Adiresy mailaka ofisialin’ny AMIS Madagascar :
Les étapes du projet AMIS Madagascar, nos rencontres et les prochaines actions.
Vie du projet
Les échanges au salon ont permis de préciser les besoins en formation, métrologie et équipements pour préparer le démarrage d’AMIS Madagascar.
Lire l’article →Les derniers liens de sources spécialisées : métrologie, fabrication avancée, robotique et matériaux.